Miarahaba antsika rehetra indray amin’ny anaran’ny TOMPO | ||||
Indro ry havana atolotra anao indray ny teti-bolantsika tao anatin’ny herinandro ny faha-06/01 – 13/01/2013 Lire la suite |
“MAMPIORINA NY FANANTENANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA”
Araka ny tetiandron’ny Fiangonana dia ny volana Febroary no iray volan’ny sampan raha sitrapon’ny Tompo. Koa hampiomanina dieny izao isika ho amin’ireto fandaharam-potoana ireto: Lire la suite
TATITRA ARA-BOLAN’NY FANITARANA NY FIANGONANA
FJKM Androndra Fahasoavana
Mivavaka Miasa Mihavana
Faly miarahaba anareo nahatratra ny taona vaovao 2013 ny komitin’ny fanitarana sy ny vaomiera rehetra ao aminy. Enga anie ka hitombo amin’ny fahasoavana isika ka handroso hatrany asa fanitarana eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.
Indro atolotra anareo ny tatitra ara-bola ny herinandro farany tamin’ny volana desambra 2012. Lire la suite
Toriteny Krismasy 2012
FA TAMIN’NY FAHAFENOANY NO NANDRAISANTSIKA REHETRA. DIA FAHASOAVANA ANAMPY FAHASOAVANA. Lire la suite
Dinidinika nataon’ny mpitandrina Andriamahazosoa Ammi nandritry ny fiadiana fototra ny fanitarana ny trano fiangonana FJKM Androndra Fahasoavana
Misaotra an’Andriamanitra isika fa afaka manomboka ny fiadiana fototra ny trano fiangonana. Inty moa no trano fiangonanana faha-5 aorina eto Androndra ary natomboka androany asabotsy 24 novambra 2012 izany fiadiana fototra izany. Izao trano izao dia natao satria efa hita tokoa ny fahateren’ny trano izay ananana ankehitriny. Miditra indroa isaky ny alahady ny fiangonana, tsy ny andro fety na fandraisana ihany, fa isaky ny alahady,ary mariky ny fitomboan’ny vahoakan’Andriamanitra izany Atomboko izao asa izao, ary ny fikasana, raha sitrapon’Andriamanitra dia ny hoe: any amin’ny faha 150 taona ny fiangonana dia hatao ny fitokanana ny trano. Farahafakeliny mba vita ny asa lehibe ao anatiny rehetra amin’izay fotoana izay. Ny asa dia noheverina koa ifarombonan’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra ary araka izao hita zao dia samy manatanteraka ny trandrify azy izy ireo. Lire la suite