TATITRA ARA-BOLAN’NY FANITARANA NY FIANGONANA

FJKM Androndra Fahasoavana

Mivavaka Miasa Mihavana

Faly miarahaba anareo nahatratra ny taona vaovao 2013 ny komitin’ny fanitarana sy ny vaomiera rehetra ao aminy. Enga anie ka hitombo amin’ny fahasoavana isika ka handroso hatrany asa fanitarana eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.

Indro atolotra anareo ny tatitra ara-bola ny herinandro farany tamin’ny volana desambra 2012. Lire la suite

Dinidinika nataon’ny mpitandrina Andriamahazosoa Ammi nandritry ny fiadiana fototra ny fanitarana ny trano fiangonana FJKM Androndra Fahasoavana

 Misaotra an’Andriamanitra isika fa afaka manomboka ny fiadiana fototra ny trano fiangonana. Inty moa no trano fiangonanana faha-5 aorina eto Androndra ary natomboka androany asabotsy 24 novambra 2012 izany fiadiana fototra izany. Izao trano izao dia natao satria efa hita tokoa ny fahateren’ny trano izay ananana  ankehitriny. Miditra indroa isaky ny alahady ny fiangonana, tsy ny andro fety na fandraisana ihany, fa isaky ny alahady,ary mariky ny fitomboan’ny vahoakan’Andriamanitra izany Atomboko izao asa izao, ary ny fikasana, raha sitrapon’Andriamanitra dia ny hoe: any amin’ny faha 150 taona ny fiangonana dia hatao ny fitokanana ny trano. Farahafakeliny mba vita ny asa lehibe ao anatiny rehetra amin’izay fotoana izay. Ny asa dia noheverina koa ifarombonan’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra ary araka izao hita zao dia samy manatanteraka ny trandrify azy izy ireo. Lire la suite