Dinidinika nataon’ny mpitandrina Andriamahazosoa Ammi nandritry ny fiadiana fototra ny fanitarana ny trano fiangonana FJKM Androndra Fahasoavana

 Misaotra an’Andriamanitra isika fa afaka manomboka ny fiadiana fototra ny trano fiangonana. Inty moa no trano fiangonanana faha-5 aorina eto Androndra ary natomboka androany asabotsy 24 novambra 2012 izany fiadiana fototra izany. Izao trano izao dia natao satria efa hita tokoa ny fahateren’ny trano izay ananana  ankehitriny. Miditra indroa isaky ny alahady ny fiangonana, tsy ny andro fety na fandraisana ihany, fa isaky ny alahady,ary mariky ny fitomboan’ny vahoakan’Andriamanitra izany Atomboko izao asa izao, ary ny fikasana, raha sitrapon’Andriamanitra dia ny hoe: any amin’ny faha 150 taona ny fiangonana dia hatao ny fitokanana ny trano. Farahafakeliny mba vita ny asa lehibe ao anatiny rehetra amin’izay fotoana izay. Ny asa dia noheverina koa ifarombonan’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra ary araka izao hita zao dia samy manatanteraka ny trandrify azy izy ireo.

 IMG_4525

Ny tenin’Andriamanitra izay nanorenana ity fanaovana trano ity dia ny Hagay 1:8 « miakara any antendrom-bohitra ka maka hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany,sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah». Dia ho tahian’Andriamanitra anie izao asa izao, ary ny komity izay miandraikitra izany dia hanana firaisan-tsaina tsara hahavita.

Ny zavatra farany tokony ambara dia izao manao hoe  vao ny fanombohana ihany ny androany. Ny fototra izany no tanterahana izao. 2 volana eo ho eo no atao izao . Ao aorian’izay dia hiroso amin’ny fampiakarana. ka ny ampahany voalohany no atao izao,amin’izao fotoana dia miakatra 3metatra io vao miditra amin’ny ampahany faharoa indrayny asa, ary raha sitrapon’Andriamanitra dia ho voatsangana avokoa ny rindrina ivelany rehetra amin’ny herintaona, na herintaona sy tapany eo.

Laisser un commentaire