EZEKIELA

1- IZA MOA I EZEKIELA?


– Anisan’ny Mpisorona tao amin’ny Tempoly tao Jerosalema i Ezekiela zanak’i Bozy ( 1: 3).
Ny anarana hoe Ezekiela dia midika hoe: “Dieu fortifiera” na “Hampahery Andriamanitra” izay mifanaraka amin’ny hafatra nampitondrain’ Andriamanitra azy izany(34 : 17-31).
– Nentina ho babo tany Babylona izy tamin’ny taona 597 talohan’i Jesoa Kristy niaraka tamin’ireo babo andiany faharoa nanaraka ny mpanjaka Joiakina (2 Mpan 24:10-17) izay nilefitra tamin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona ka nonina teo amoron’ny ony Kebara izy (1: 3.). Lire la suite

SALAMO

Boky ao amin’ny sokajy “Boky Tononkira” no misy azy

1-       MIZARA DIMY NY SALAMO

Ireo toko miisa 150 dia mizara toy izao :

–          Boky voalohany : Salamo I – Salamo 41 ;

–          Boky faharoa : Salamo 42 – Salamo 72 ;

–          Boky fahatelo : Salamo 73 – Salamo 89 ;

–          Boky fahaefatra : Salamo 90 – Salamo 106

–          Boky fahadimy : Salamo 107 – Salamo 150.

Izao no azo ambara mikasika ireo fizarana ireo :

  • Ny boky tsirairay dia mifarana amin’ny fisaorana an’Andriamanitra sy fanomezam-boninahitra Azy.

Ohatra : Ny boky voalohany dia mifarana amin’ny Salamo 41 : 13 manao hoe : “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Israely, hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amen dia Amen”.

  • Azo lazaina koa fa ny boky dimy hita ao amin’ny Salamo dia misy fifandraisany amin’ireo Boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly na Pantateoka (Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, Deotoronomia).

Salamo  kosa dia mampakatra eo amin’Andriamanitra ny Vavaky ny olombelona sy ny Fisaorana Azy.

1-       NY HEVITRY NY TENY HOE SALAMO

Ny Salamo dia manambara hira hiraina ary arahina zava-maneno. Ny Salamo izany dia boky mirakitra ireo tonon-kira fanaon’ny Jiosy ho fiderana an’Andriamanitra sy ho fangataham-pitahiana aminy.

Nihira ny Salamo àry ny Jiosy sy ny fiangonana voalohany, I Jesoa Kristy koa dia nihira ny Salamo fiderana (Mar 14 : 26) sady nampiditra tao amin’ny fampianarany izay voarakitry ny Salamo (Mar 12 : 10, 11) ary ny vavaka nataony teo amin’ny hazo fijaliana dia ny Sal 22 : 1 (Mar 15 : 34).

2-       NY ENDRIKA ISEHOAN’NY SALAMO

Amin’ny maha hira sy tonon-kira ny Salamo dia miseho amin’ny endrika « Zava-kanto » toy ny poezia na tononkalo izy mba hanintona ny fo sy ny saina hiatrika an’Andriamanitra saingy tsy ny ady rima loatra no nahamaika ny Jiosy tamin’ny fandrafetana ny tononkalo fa ny gadona izay tsara fiantefa amin’ny sofina mpandala zava-kanto (ohatra ny Sal 103).

3-       SALAMO NATAON’I DAVIDA

Marobe ny Salamo ialohavan’ny hoe “nataon’i Davida”. Fantatsika fa i Davida mpanjaka dia lehilahy tia hira sy mpitendry zavamaneno ary koa mpanoratra tononkalo.

Ny fisian’ny anarana hoe “Davida” dia mety koa ho mari-panajana ihany fa olon-kafa no nanoratra ny tonon-kira saingy natolotra azy mpanjaka ary dia natao tamin’ny anarany.

4-       NY VOTOATIN’NY SALAMO

Ireo toko miisa 150 dia mirakitra hevi-dalina maro samihafa. Noho izany mety tsy ho voatanisa ny votoatin’ny Salamo fa ny azo atao dia ny manatsitokotoko azy araka ny karazany avy toy ny Salamo “vavaka fisaorana”, “vavaka fiderana”, “vavaka fiaiken-keloka”,… Ny atao eto dia fanatsitokotokoana santionany ihany fa tsy fandravonana    feno ny votoatiny tsy akory :

–          Salamo fiderana sy fanandratana an’Andriamanitra : Sal 9 ; 19 ; 29 ; 33 ; 100 ; 103 – 105 ; 107 ; 111 ; 113 ; 117 ; 135 ; 145 – 150,…

–          Salamo ho an’ny mpanjaka : Sal 18 ; 20 ; 21 ; 45 ; 72 ; 89 ; 101 ; 110,…

–          Salamo fiderana eo an-tempoly : Sal 15 ; 24,…

–          Salamo fitarainana amin’Andriamanitra : Sal 4 ; 10 ; 12 ; 13 ; 38 ; 44 ; 59 ; 69 ; 74 ; 79 ; 83 ; 94 ; 106 ; 120 ; 123 ; 143,…

–          Salamo maneho fahatokiana : Sal 11 ; 16 ; 27 ; 108 ; 121,…

–          Salamo fampianarana sy fampaherezana :Sal 1 ; 14 ; 15 ; 24 ; 37 ; 49 ; 73 ; 78 ; 111 ; 112 ; 119 ; 127 ; 133,…

–          Salamo mihira an’i Ziona : Sal 46 ; 48 ; 76 ; 87 ; 132,…

Koa raha mampahafantatra ny Tenin’ Andriamanitra  sy ny  sitrapon’ Andriamanitra ny Pantateoka, ny Baiboly dimy ao amin’ny