Valan-dresaka tamin’ny filohan’ny Akon’ny Efitra

Raha sendra nandalo teto Antananarivo ny filohan’ny Akon’ny Efitra dia nohararaotinay nanaovana valan-dresaka momba ny fankalazana ny faha folo taonan’ny sampana.

1-Rahoviana ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny faha 10 taonan’ny akon’ny Efitra?
Amin’ny alahady farany @volana desambra 2010 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy

2-Misy hetsika manokana ve hanamarihana izany fanokafana izany?
Misy konseritra goavana amin’io fotoana io,izay ho tanterahin’ny Amboaram-peo akon’ny efitra eto amin’ny FJKM Androndra ihany.

3-Inona avy ireo zavatra kasain’ny sampana atao mandritra izany fankalazana izany?
-famoahana ny kapila voalohany sady tsangambato fah-10 taona
-Fikarakarana ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena
-Fifaninanana Soratra Masina
-Fifaninanana hira
-Amin’ny maha antoko mpihira moa dia ho maro kokoa noho ny isan-taona ireo konseritra ho tontosaina.

4-Ary inona ny zavatra hoan’ny sampana manokana ho fanamarihana izany faha 10 taona izany?
Famoahana ny kapila voalohany ny Aboaram-peo Akon’ny Efitra izay sady tsangambaton’ny faha-10 taona

5-10 taona ny Akon’ny Efitra, midika inona izany hoanao filohan’ny sampana?
-Midika fitahiana sy fanambinana tsy azo refesina avy amin’Andriamanitra
-Midika fitantanan’Andriamanitra tao anatin’ireo fitsapana maro tsy maintsy nolalovana ka nivoahana ho mpandresy hatrany,sady nitomboan’ny finoana izay nananana.

6-Teny farany hoan’ny mpitsidika ny tranonkala?
Misaotra anareo mpitsidika amin’ny fankaherezana,sy ny vavaka ataonareo hatontosa ny fotoam-pankalazana rehetra,raha misy soso-kevitra avy aminareo dia raisinay am-pitiavana izany,homba antsika anie Jesosy.

Laisser un commentaire